Toko 1, Hafatra 177
28 Sep 2026
Anaka, ireo zava-mitranga aminao dia fitaovana ao anatin’ny ny fitaovana hafa rehetra izay nofidian’ny Ray ho sakafonao isan’andro, izay ilaina amin’ny fanovana anao. Ka raha aingana ny handraisanao, ny hiainanao sy hanoloranao ireny amin’ny Ray dia ho aingana koa ny fahatongavan’ireo vokatra. Tiako ianao.